Izy mivady (VHF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAZAFINDRASOA:
Hono oa Rakotomanga hiaino ahy va hianao
ity misy teny kely tiako atao aminao.
Dinidiniky ny mpivady, resadresaka fa tsy ady.
Calme fotsiny fa tsy ampisendoatra anao.

RAKOTOMANGA:
Ento ary ny teninao re ry Zafindrasoa.
Aza atao lava loatra fa sao hankarary ny loha.
Raha lava mantsy ny teny dia ho very tokoa ny soa e!
Fa izaho raha teo koa anie mbola hamahana akoho.

RAZAFINDRASOA:
Ianao tato ho ato izay Rakoto nisy fiovana.
Tsikaritro taminao hitan’ny mpiray tanana.
Isanandro dia alim-pody indraindray aza tsy tafody
Fa inona no mahazo anao manontany madama.

RAKOTOMANGA:
Tena marina mihitsy izany ry madama Rasoa .
Somary nadisadisa ny fiarahantsika roa .
Taloha ianao tena tsara, zao ianao efa soarasoara.
Tena hitako normal ilay fodiako alina.

RAZAFINDRASOA:
Andray izato vavanao r'ingahy ity.
Tena manodiava anao raha ny todim-pitia .
Ianao tsy mody raha tsy mamo, manitsakitsaka tokantrano
zany ve ianao no milaza fa hoe normal.

RAKOTOMANGA:
Ô Rasoa a, vady malala ato an-trano ianao marina izany .
Misy zavatra ataonao indraindray tsy zakako ihany .
Be kizitina tsy minaonaona, mivazavaza tsy ahoana tsy ahoana.
Izao anie Rasoa olombelona fa tsy akoho.


RAZAFINDRASOA:
Aoka Rakoto indraindray tena marina izany .
F'izaho koa anie tonga sainga mahatsapa an'izany
F'izao koa no mba fantaro izay tiana maha saro-piaro.
Io fodinao alina io Rakoto mba hatsaharo

RAKOTOMANGA:
Izao ary no lazaiko anao madama Rasoa.
Tsy aleo ve mba hifanaraka amin'izay isika roa.
Aoka izay re ny adiady teny hierana amin ny mpivady.
Andriamanitrano lolohavina an tampon'ny loha.

RAZAFINDRASOA:
O Rakoto a! hay ve ianao mbola misy fitiavana ahy ihany
Tena faly dia faly tokoa aho mahare an'izany.
Handao ary izato izy, hasehotsika amin’ireto ankizy.
F’i dada sy neny teo iny nandalo krizy.

FIVERENANA
Ka aoka ry lahy fa marina izany e! handao indray hifankatia .
himpody hafaliana ny sento tomany e! ny fontsika hifangihy .
ANDRIAMANITRA no hintantana ny lalana mandrakizay doria
Ka amerina indray ao ambalan’ny Ray e! ireto ondry izay nania

Efa hatrany ampidohana anie isika no tsara tsodrano ô!
Mahaleova, mahalasana, maharena ny tonkan-trano ô!
Miteraha fito laly fito vavy ary koa mamenoa re ny tany.
Fa ny zava-misy sy ny vidim-piainana tsy hampitomany .

Ity misy teny kely tiana hambana avy aminay roa ô!
Io fanambadiana io anie zareo toy ny lamban’akoho ô!
Raha JEHOVAH no mampitambatra ho iray ny fon’olon-droa ô!
Dia fitiavana mandrakizay ny azy roaroa ô!

O rasoa ooo tena marina izany!
O rakoto ooo ny fitiavana ihany!
Ny andon ny lanitra eee sy ny tsiron ny tany!
Homba anareo tokoa anie mandrapaha tonga any! (2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VHF
Vangy : 1187
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fre
Daty : 18/04/2022 00:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1525