You are here: home > Tononkira > UNIK

Mifona (UNIK)

Efa ela, no niarahantsika roa,
Ela, ela tokoa
Mbola tadidiko, ilay tany am-boaloha
N’inona n’inona nitranga tsy mifankafoy

Raha nifoha maraina ka tsy mahita anao,
Dia alahelo, taraina sy talaho
Ianao no tiako sy faniriako
Ka aza ilaozana aho...

Mifona aminao, tena mifona aminao,
Fa tiako ianao ka aza ampijaliana aho
Efa impiry izay no nandatsa-dranomaso
Noho ilay fitia, mampijaly sy mankahia
Nanariako ny fianarako,tononkira.serasera.org nandaniako ny fananako,
Nanimbako ny ho aviko ...
Dada sy neny dia nariako, zoky sy zandry dia nafoiko
Satria ianao ilay tiako ...

Nefa taty aoriana,
Lasa ianao izaho dia variana
Tsy hitako izay tsy nomeko anao
Koa maninona ary izaho no nilaozanao

Raha hifoha maraina ka tsy ho eo intsony ianao,
Dia haizina, tomany sy talaho
Mijaly izaho raha tsy eo ianao,
Ka miverena ianao...

Mifona aminao.....

                               Ho an’i Domy

Mpihira : UNIK
Mpamaky : 4139
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 04/10/2002 13:49:15
ID : 1086

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo