Mangataka anao (UNIK)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He tonga izao ilay fotoana
Ka tafahaona
Hifanazava
Hiresaka ny ho avy

Ela tokoa izay no niarahana
Izaho aloha tena nitia tokoa

Izany rehetra izany no
nahatonga anahy hatrany
hangataka anao
Satria ianao eny ianao
ilay tiako ka ho vadiko

Izaho dia manome toky andry
fa ’tsika roa hifankatia
Omeko izay irindry
ataoko izay mahafalifaly andry
Omeko zaza maromaro
mba ho fifalian’ny tokantrano
Ampiako vola sy harena
ho fahasambarana tokoa ireny

Ka mety ve ianao
f’isika sy anao
hiaraka ho mandrakizay
Andeha hifankatia tsy hifanary sanatria
hiaraka hatrizay doria
ka mangataka anao

Izaho aloha dia manome toky
f’izaho hanaja andry
ary hitia tena hitia

Sady mampanantena fahendrena
ary koa tsy mba ho tia tena

Koa raha mety ianao
dia andao manomboka izao
isika sy ianao tsy hifandao
fa hiaraka ary tsy hisaraka
ho mandrakizay

Koa veloma Raditra
mampamangy
tsy sangisangy
fa toky omeko anao vady andefimandry
fa tsy haditra intsony aho
fa handinika ny ho avintsika hamiratra
ary tsy hampivindana
fa miezaka hampivitrana
ka izaho tsy hamitaka
toky omeko anao
ataoko an’ady ilay iraka
fa izaho hiaraka
tsy hanataka
fa hangataka anao mba ho vadiko
sambatra aho
raha isika mitambatra
enga anie f’izay ‘lay voadiko

ka mety ve ianao
fa isika sy anao
hiaraka ho mandrakizay
andeha hifankatia tsy hifanary sanatria
hiaraka hatrizay doria
ka mangataka anao

Izany rehetra izany no
nahatonga anahy hatrany
hangataka anao
hanaja anao
raha mety ianao
dia ho tiako
ka ho vadiko

ka mety ve ianao
fa isika sy anao (tiako ianao )
hiaraka ho mandrakizay
Andeha hifankatia tsy hifanary sanatria
hiaraka hatrizay doria
Ka mety ve ianao
fa isika sy anao
hiaraka ho mandrakizay
andeha hifankatia tsy hifanary sanatria
Hiaraka hatrizay doria
mety ve ianao
fa isika sy anao
hiaraka ho mandrakizay
andeha hifankatia tsy hifanary sanatria
Hiaraka hatrizay doria ka
MANGATAKA ANAO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : UNIK
Vangy : 3670
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 28/09/2002 11:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7252