Kazah Hope (Tsy kivy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy Kivy KAZAH HOPE


Natolotrao azy daholo ny fitiavana lasa tsy nisy tavela
Ianao tsy nikaroka momba ny havany,ny lasany sy ny rehetra*2
Variana mikaroka ny hoavy, dia Jamba ny maso,tsy hita kanefa
Lavaka be teo alohan'lah,te hikofoka tsy Afa milefa


Tany ampianarina nianatra mafy, voalohany nianatra leçon
Ny Ray amandreny koa niezaka mafy,tsy kivy nanampy tena au fond
Niezaka mafy,tsy kivy nilofo,hampa-fier kay tampoka niseho
Niangaran'ny vitana , tonga ny loza de lasa veloma tsy nisy a


Tao ampiangonana tompontanana,mahatsapa tena tsy kamboty a
Fa tsy haiko na zanaka adala na zanan'i Tompo na zaza kamboty
Fa sady manambany no sady manompa an'ity mahantra kely le zaza kibotaina,
Tompo ô mamela ny helony, fa diso izy,tsy fantany akory zay ataony


Tonga ao an-trano mikorontana,vary sy menaka sira tsy misy a
Ny trano milamina,hita ny place ny mpivarotra fa vola no tsisy a
Miala maraina,mitady karama,de mody ny hariva f'indrisy fa
Teo zay vao tsapako fa tena mitovy ny 009 mivadika sy 600 ,



Mompera miezaka mandresy lahatra,tsara ny manao ny marina
Pastera manakana tsy hanao ny ratsy fa zay mihitsy no tsy laitra anarina
Masera mihena, tô lasa nanidina,lasa izy very tsy nariana
Frère nivadika jiolahimboto sy kivy ny hamafiny fiainana


Angamba raha tsisy ny fitiavana mety tsy hisy ny Fo mitomany sy haratra
Angamba raha tsisy ny fitiavana mety tsy hisy voafitaka,anjara sy lahatra
raha tsisy ny vola de mety tsy hisy ny 4-mi sy mahantra
Raha tsy ny vola de mety tsy hisy habibiana sy jaly sy fahatrana


Impiry moa zay no nilaza sy nampanantena hampandroso ny pitondra
Nifandimby daôly ry boto sy lita sy koto fa tsy nisy fiovàna
Natao fahazarana ny fitiavatena ,ny toky sy fitaka nolovaina
Ny lalana ratsy,ny ala tapahina,ny gidro efa tapitra nohazaina


Reo bandy akama niarahana ela efa hatramin'izay tsy nisaraka
Ny sasany lasa,ny sasany tafa mahita de hoe tsy mahafantatra
Ny sasany manana vady amanjanaka,antsoina pro defa tsy afaka
Ny sasany directeur efa miasa de mihevitra hoe tonga lafatra



Efa firy*2 moa ny tanora maty*4 niady ho an'ny firenena
Tô lasa tsiny*2, latsa*5 no azondreo tsy nojerena
Harena ankibontany jiaby*6 natakalondreo toe-karena
Izay mitady*2 hiady*2 ho an'ny gasy nopendendreo noserena


Efa hatramin'izay no nisy force hery famoretana sy tsindrio fa lavo tamin'ny firenena
Nefa tamin'izany tsisy fo mitempo, ho anay, iaretanay vono sy jaly sy tsindry hazo lena
Ajanony amin'izay ny fampanatenana poakaty sy fanangonan-karena
( malagasy foana izahay ) na mamboly sy miompy ,na 4-Mi na mpivarotena


Impiry moa zay no nilaza sy nampanantena hampandroso ny pitondra
Nifandimby daôly ry boto sy lita sy koto fa tsy nisy fiovàna
Natao fahazarana fitiavatena ,ny toky sy fitaka nolovaina
Ny lalana ratsy,ny ala tapahina,gidro efa tapitra nohazaina


Natolotrao azy daholo ny fitiavana lasa tsy nisy tavela
Ianao tsy nikaroka momba ny havany,ny lasany sy ny rehetra*2
Variana mikaroka ny hoavy dia Jamba ny maso,tsy hita kanefa
Lavaka be teo alohan'lah,te hikofoka tsy Afa milefa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsy kivy
Vangy : 267
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kabuto
Daty : 18/06/2023 13:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5417