You are here: home > Tononkira > Tsiakoraka

Aoka (Tsiakoraka)

Miangavy anareo ry zalahy
Atsaharo kely ange 'ty ady
Tsy hoe fatahorana ny ahy
F’efa leon’ity mifampitady

Mba jereo ange zato ianareo
Dia topazo maso koa zahay
Ny tanàna potika  sy may
Ny mijery izao ve tononkira.serasera.orgtsy hankaleo

Raha isika mpiady ihany moa
Tsy dia mampaninona  raha voa
Fa ireo tsy manan-tsiny koa
Dia mitanty izany avokoa

Raha ireo efa afak’aina
Efa maty  teto hatrizay
Marobe tsy hitako isaina
Mba miangavy re mba aok’izay.


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tsiakoraka
Mpamaky : 473
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : nandriamandia
Tamin'ny : 01/04/2018 08:13:03
ID : 10520

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo