Ravitoto (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
potika aminao mafy aho izany sombinaiko tena tiako o
ravitoto mivelatra eo am-bilihako o
nampirafisinao aho zany tain’omby tain-gisa o
mbola potika aminao aho e (indroa)

tany ampitan-dranomasina aho nalahelo saika lasa adala
nanjononjonotra somototra lasa vinany o
saika handeha hamono tena aho nefa tojotojo taovan-kena o
taovan-kena ratsy fositra malanolano (indroa)

ravitoto voatotototo ny vavoniko marokoroko
manao veloma an’ahy izy e
namela fofom-boninkazo izy etsy am-bodimbodi-goavy etsy
fofom-boninkazo lozitra mitsitokotoko o (indroa)

ravitoto aloha ny androany fa ny ampitso izay vao tsaramaso
miaraka amin’ny vary be mitafotafo
ravitoto sy voanio anie no recette tena malagasy o
trafon-kena mievitrevitra any anatiny any (indroa)

potika aminao mafy aho izany sombinaiko tena tiako o
ravitoto mivelatra eo am-bilihako....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 11576
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mirary
Daty : 15/02/2002 22:43
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124