Ravitoto

Lohateny Ravitoto
Nampiditra fijo
Tamin'ny 22/12/2004 20:43
Vangy : 469

la                       re                la      
potika aminao mafy aho izany sombinaiko tena tiako o
mi                    la
ravitoto mivelatra eo am-bilihako o
la                       re                  
nampirafisinao aho zany tain'omby tain-gisa o
mi6                      la
mbola potika aminao aho e (indroa)



tany ampitan-dranomasina aho nalahelo saika lasa adala

nanjononjonotra somototra lasa vinany o

saika handeha hamono tena aho nefa tojotojo taovan-kena o

taovan-kena ratsy fositra malanolano (indroa)



ravitoto voatotototo ny vavoniko marokoroko

manao veloma an'ahy izy e

namela fofom-boninkazo izy etsy am-bodimbodi-goavy etsy

fofom-boninkazo lozitra mitsitokotoko o (indroa)



ravitoto aloha ny androany fa ny ampitso izay vao tsaramaso

miaraka amin'ny vary be mitafotafo

ravitoto sy voanio anie no recette tena malagasy o

trafon-kena mievitrevitra any anatiny any (indroa)

 

potika aminao mafy aho izany sombinaiko tena tiako o

ravitoto mivelatra eo am-bilihako....
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079