Avy iny orana iny (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangingina f'efa liana, tsy mikiaka fa toa very
Voronkely antendron-kazo erý
Avy io orana io
Mihozohozo toa tsy tana, hazo iray izay namikiran'
Ilay fitia fahavaratra io
Noravan'io orana io

Izy anie nangina teo
Nipitrapitra toa tsy hamoaka feo
Avy iny orana iny

Malaindaina lasa saina, tovovavy iray misaina
Hamonjy hariva ilay olon-tiany
Natahotr'iny orana iny
Tovolahy miseho izay nanitsinitsy tsy nizaha
Ny làlana nefa avy orana io
Potraka io vao mino

Izy anie nangina teo
Nipitrapitra toa tsy hamoaka feo
Avy iny orana iny

Miandrandra lava, fola-doha, olona iray avy any Androy
Miandrandra an'iny lanitra iny
Miantso iny orana iny
Eto izaho sy ny gitara mihirahira mankafy
Arahin'ilay feon'orana io
Tsara iny hirako iny
--------
Rohy:
Hevitra
malilo ( 05/04/2017 11:03)
M'saotra letsy ra-Jagger a , tsiron-kanina ity vazo ity , anabany feeling tsara.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 3228
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/07/2014 14:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121