Alimanaka (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihantonkantona etsy ny alimanaka 
Manakom-baravarankely vaky
Mihantonkantona etsy ny alimanaka   
Manakona ny rivotra tsy ho ato

Dia tsy mitovy intsony ho'aho ny omaly sy ny androany 
Dia tsy mitovy intsony ho'aho raha mbola misy manontany
Dia tsy mitovy intsony ho'aho ny omaly sy ny androany   

Janoary, febroary, martsa, aprily,
Izay ratsy amin'ny tary dia hikipilipily.

Miankin-drindrina etsy ny alimanaka
Menamena no manondro ny andro fety

Dia tsy mitovy intsony ho'aho ny omaly sy ny androany
Dia tsy mitovy intsony ho'aho raha mbola misy manontany
Dia tsy mitovy intsony ho'aho ny omaly sy ny androany   

Mey, jiona, jolay, aogositra, septambra
Tsy hiaraka aminay izay mbola mihambatrambatra

Mihantonkantona etsy ny alimanaka 
Manakom-baravarankely vaky
Mihantonkantona etsy ny alimanaka   
Manakona ny rivotra tsy ho ato

Dia tsy mitovy intsony ho'aho ny omaly sy ny androany 
Dia tsy mitovy intsony ho'aho raha mbola misy manontany
Dia tsy mitovy intsony ho'aho ny omaly sy ny androany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 1629
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/04/2020 11:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727