Tsy ireo (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ireo zay miantso hoe Tompoko TompokoNo ndeha hahazo ny fianana sambatra
F’izay manao izay tiany Ray ao ambony
Tsy ireo zay milaza tena ho mpivavaka
No voavonjy amin’ilay andro farany
F’izay mino sy manaraka ireo didiny
Satria maro ireo mpihatsaravelatsihy
Mitetika ny ho tafita ho ankary
Nefa ny fo maizim-pito manjombona
Tsy mendrika ny hiampita handray fitia
Dieny izao ianao
Manatona amin’ilay mpamonjy
Mba hivavaka sy hovoavonjy
Fa tsy ho zary ho fomba ihany
Ny ataonao tamin’ilay mpahary
Mibebaha ianao
Mibebaha ary ianao
Mba hanavao ny finoanao
Fa ny Tompo efa sasa-miandry
Handray anao ho isan’ireo zanany
Tsy ireo ‘zay miditra any ampiangonana
No ho lazaina hoe tena mpivavaka
F’izay mandray ny teny ho tena fiainana
Tsarovy koa fa tsy ny ranomasonao
No hanafaka ny trosa ao aminao
Fa manantona amin’ilay mpamonjy ka mifonà
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVangy : 147
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 13/03/2025 10:56
