Sambatra ny firenena (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ity taninay ity Ray oMangetaheta vonjy avy Aminao
Afaho amin'ireo adim-panahy
Ampianaro hahay hifankatia, tsy hifandrafy
Ireo vahoakanao
Hatahotra sy hanompo Anao
Fa Hianao Andriamanitra Ray be fitia
Tsy mikipy Anao sanatria
Fa mijery sy mamindra fo tokoa
Fa Hianao, izay maninjitra ny tànanao
Ho an'ireo matahotra Anao
Dia ho fiarovana sy manda ho azy Hianao
Fiv : Sambatra eny sambatra
Ny firenena izay manana
An'i Jehovah ho Andriamaniny
Tena sambatra eny Sambatra
Ny firenena izay manana
An'i Jehovah ho Andriamaniny
2-Ity nosinay ity Ray ô
Arovy eo ambany elatrao
Vokiso ny hani-soan'ny Fanahy
Ho tanteraka aminay tokoa
Ireo teny fikasana
Izay voatendrinao ho an'ity tanindrazanay
Fa Hianao Andriamanitra Ray tsy mandao
Momba sy miandany amin'ny
Ireo izay mino sy matoky Anao
Anjakao ity nosinay hihavao
Ho vavolombelonao
Hitondra hazavana ho an'izao tontolo izao
Fiv : Sambatra eny sambatra
Ny firenena izay manana
An'i Jehovah ho Andriamaniny
Tena sambatra eny Sambatra
Ny firenena izay manana
An'i Jehovah ho Andriamaniny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVangy : 87
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 13/03/2025 11:14
