Hiverina Aminao (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty hajambana tokoaNo nandaozako Anao Ray tsitoha
Tsy mba tsapako akory hatrizay
Fa mamy ny anilanao
Nisafidy aho ny hanalavitra Anao
Nanaraka ny fanaon'izao tontolo izao
Tsy mendrika akory ny fitiavanao
Noho ireo hadalana vita rehetra natao
Ray ô ity aho mipody Aminao
Ilay trotraky ny ota izay natao
Nanao izay ratsy indrindra teo imasonao aho
Tompo ô mba sasao mba hanan-jara Aminao
Tsy hamerina intsony ny ota vita hatrizay
Fa hanoa ireo didinao
Inty aho ry Ray, mba hamindrao fo
Hiverina Aminao
Tsy mba sasatra Hianao niandry ahy
Hiverina Aminao
Izaho ilay ondry nania taminao
Dia mbola tsy foinao
Dia natsotranao ny tananao ho ahy
Nanarin'ahy izay resin'ireo fakam-panahy
Ka natsanganao sy nodiovinao
Ho anisan'ireo handova fiainam-baovao
Ray ô ity aho mipody Aminao
Ilay trotraky ny ota izay natao
Nanao izay ratsy indrindra teo imasonao aho
Tompo ô mba sasao mba hanan-jara Aminao
Tsy hamerina intsony ny ota vita hatrizay
Fa hanoa ireo didinao
Inty aho ry Ray, mba hamindrao fo
Hiverina Aminao
Ray ô ity aho mipody Aminao
Ilay trotraky ny ota izay natao
Nanao izay ratsy indrindra teo imasonao aho
Tompo ô mba sasao mba hanan-jara Aminao
Tsy hamerina intsony ny ota vita hatrizay
Fa hanoa ireo didinao
Inty aho ry Ray, mba hamindrao fo
Hiverina Aminao
Ity aho ry Ray fa hiverina indray
Hanonitra ireo lasa vita hatrizay
Hanaraka Anao aho manomboka izao
Ka ny androko sisa dia hanompoako Anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAHits : 88
Likes : 0 Like
Created by : Njaranjara
Date : 07/11/2025 16:07
