Aiza ny lalan-kombana (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsisy fiainana sambatra, fiainan-tsambatra azo ianteheranaRaha tsy tena miankina amin'ilay Jeso fanaperana
Izay nateraka hisolo ny otanao, tonga mandondona mba hiditra ao
Ao anatin'ny fonao ka avelao izy hanjaka ao
Fa ny fiainantsika ety dia mandalo mielina tsy ho doria
Ka mahaiza mifidy fa aza varina miriharia
Maro sampana mantsy ny làlana izay heverina mitondra fiadanana
Koa mihevera fa sao mifandiso ny làlan-kizorana
Tsy ny làlana be mikondana mangolabaka midanadana
Ny làla- mizotra mitondra mankany amin'ny fiainana
Fa ny làlana hety sy tery izay mazana dia vitsy mpijery
Io no làlana sy fahamarinana iandrasan'ny Tompo anao
Dieny mbola tsy tonga izao ny andro farany izay efa nambarany
Hisehoany amintsika indray hifidianan'i Zanany.
Dia fidio dieny izao re ny làlana, làlana tena feno hasambarana
Koa hizory sy araho fa Jesosy Tompo hitantana
Maromaro ny fitsapana izay tsy maintsy sedraina raha eto an-tany
Ny ho resy dia esory an-tsaina mivavaha fa aza kivy izany
Fa malama ny làlan-kombana ho an'ireo izay manova fitàna
Koa mijoroa fa Jesosy Tompo no Tompon'ny fahefana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVisites : 202
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Njaranjara
Date : 13/03/2025 11:04
