KA TIANAO VA (Thiera BRUNO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay tapa-kevitra nandeha maro no tafita
Sady nahazo zava-tsoa, ny masoko no nahita
Fa izay nifidy hijanona kosa,
Valala mpiandry fasana
Ireo olona izay osaosa dia efa lasana.

Fa izaho izany dia efa ela no tapa-kevitra
Fa niandry Anao
Fa any ho any mbola misy ny azo antenaina
Ho lovantsika
Ka tianao va ny hiaraka amin’ahy ...

Izay tapa-kevitra ny nody tsy sakalava diso
Fa nahalala fanafody nitsinjo ny ampitso
Fa izay nifidy hijanona kosa tsy tonga tany
Ny adidy no niavosa , ny aina lany.

Fa izaho izany ... hiaraka amin’ahy ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Thiera BRUNO
Vangy : 17892
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Liva Andribesoa
Daty : 27/03/2004 12:04
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718