You are here: home > Tononkira > Thiera BRUNO

Tsy ranomaso no hanafaka (Thiera BRUNO)

Tsy ranomaso no hanafaka
Ity endrikao malahelo
Na hamoizana izao tontolo izao
Noho ilay olona nandao

Marina fa nitia ianao
Nandao ireo hava-tiana
Fantatro fa tsy kilalao
Ireo voady izay nekena ftononkira.serasera.orgahiny

Nahoana raha tsiky no andravaka
Ity endrikao malahelo
Hirahira sy kalo ...
Ireo fahasambarana taloha

Na izy aza minia manadino
Tsy mahatsiaro ity akany
Toy ny tsipolitra manara-damba
Miantsampy amin’olo-mandalo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Thiera BRUNO
Mpamaky : 3172
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 22/03/2003 19:22:53
ID : 1546

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo