Miandry manantena (TARIKA TSINJO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Izy, izay tia anao loatra
Tena tia tafahoatra,
Iriany ianao mba hoazy irery
Fitia, ao am-po fa tsy an-tery
Mba hitondra hery
Hiatrehany ny fiainana


Ref- Ianao anefa, variana milalao
Arefarefanao, ilay fitiavany anao
Ny adin-tsainy, ny adim-panahiny
Tsy tsapanao ve, ilay fitiavany


Fa na izany aza, mbola miandry anao izy
Miandrandra ilay mazava,
Ho akaikinao lalandava
Mino izy, f’ianao dia mbola ho azy irery
Any andro iray, hikombona ilay fery


2- Izy manantena anao foana
Fa mbola ho tonga ianao
Hitondra ilay fitiavana
Izy, miandrandra fiovana
F’ianao mbola ho tamana
Ho eo anilany

TSINJO 2001
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TARIKA TSINJO
Vangy : 2628
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 10/10/2002 13:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765