Fahatsiarovana (TARIKA TSINJO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
    

     1-Toa tsaroako indray ilay andro
       Izay nihaonantsika farany
       Ilay andro harivariva
       ’Zay nifanorohantsika

          Tena teo vao tsapako
          Ilay fitiavanao ahy
          Fitiavana mikotrika
          Tsy fahitako hatrizay

     Ref-Lay fotoana eh, izay nifanaovantsika
         Dia nanjary eh!, dia nanjary tadidinao
         Ilay fombanao, ilay fombanao fahiny
         Dia nanjary eh!, dia najary tsy nisy intsony

    
         2- Iny lokon-danitra iny, fahatsiarovako anao
            Raha vao mahatsiaro anao aho
            Dia io no banjiniko

            Fa ilay sarinao, izay efa nodorako
            Fa tsy mba noheveriko  
            Hiova intsony ianao
        
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TARIKA TSINJO
Vangy : 3089
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 16/10/2002 15:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844