Havaoziko (Tarika Natia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Havaoziko eto indray
Ny finoako Anao ry Ray
F'izaho tsy hiala
Na hivadika amiNao

Ambarako eto anio
Tsisy afatsy Ianao ilay io
Nanazavaka ny lalako
Jesoa tia mpamonjiko (*2)

ref :Tanako apingako Ianao
Andriamanitra Ray malala oh,
Hijoro manoloana anatrehanao aho
Tsy mba hiemotra aho (*2)

Ankiniko aminao
Ny andro sisa omenao ahy
Ka hahatohitra ireo ratsy
Mety hasarika ahy hivily aminao

Fa Ianao irery ihany
No ifikirako hatrany hatrany
Ka tsy hisalasala aho
Ny hanandratra avo ny anaraNao (*2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Natia
Vangy : 190
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : NyAndoNirina
Daty : 10/10/2023 15:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1723