Hitsangana aho (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitsangana aho hitory ny Asanao
Hitory hatrany fa tsara Ianao
Ry Tompo tia ô! Hidera Anao hatrany
Dieny ety an- tany
Hatrany an-danitra any
Tsy hiato intsony
Na amin'ny andro tony
Na oram-batravatra
Tsy hiato io tsy ho rava

Fantatray mantsy fa eo anilanao foana izahay
Tsy ho lasa lavitra intsony fa an-tànanao Ray
Ny fiainanay,
ny momba anay
Napetrakay am-pelantananao ireo
Ka ampiasainay ho Anao
Manaiky hatrany ho irakao izahay Jesoa
Ka anjakao...

Hitsangana aho, hiroso ka handeha
Tsy hahakivy ahy ireo fahavalo be
Satria Ianao, Ianao mitantana ahy
Tsy ho kivy fa ho sahy
Tsy hahanana ahiahy
Fa noho Ianao
Ho halan'olona aho
Ho maro tsy mpitia
Mpamingana ny dia

Fantatray mantsy fa dia izay no hiainanay zanakao
Ny Anao taloha aza mafy lavitra noho izao
Namoizan'aina,
Nampitaraina
Kanefa dia nekenao ihany ny hanavotana anay
Fitiavana anay tsy ho very izany rahatrizay...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 269
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 18/07/2023 12:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725