Mba lazao (Tarika H'Avana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hitako intsony izay lalan-kalehaFa izato ianao toa mandà no manome
Raha hiantsapy aho matahotra ny ho lavo
Tsy hay intsony izy ity fa manjavozavo
Ref:
Mba lazao amiko izay tena marina
Hilofika aho ve sa ho tafarina
Izay valinteninao no andrasako re
Satria any aminao ny tena lakile
Mpinamana ve isika sa mpifankatia?
Hifandao ve sa kosa hiara-dia
Ka baraingo no apetrako aminao
Ekeko avokoa zay valinteninao
Ref:
Fa ny fitia toy ny volamena
Tsy mahasolo azy raha izay harena
Ka izay no hiangaviako anao
Eny ve sa tsia mba lazao
Ref:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tarika H'AvanaVangy : 5
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ibanez
Daty : 20/01/2026 22:42
