Asaramanitra (Tarika H'Avana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misomebiseby mifanaretsaka ny ambany lanitra o
Falifaly mikorana fa ny andro fety
Ny volon'andro toa manambara fa Asaramanitra
Ny akanjo mamirapiratra sy mirentirenty

Misomebiseby mifanaretsaka ny ambany lanitra o
Falifaly mikorana fa ny andro fety
Ny volon'andro toa manambara fa Asaramanitra
Ny akanjo mamirapiratra sy mirentirenty

Ref: Sorisory avy hatrany dia alao an-doha
Fa hitotorebika sy hifaly havanja isika rehetra
Hifanome ny tsara sy hifampirary soa
Ka ho henika hafaliana tsy misy fetra

Kalokalo sy hirahira no manakoako
Velombolo manarak'izany reo zava-boahary
Vely aponga sy gitara arahin-damako
No mampiseho ny hafaliana mibaribary

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika H'Avana
Vangy : 7
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ibanez
Daty : 20/01/2026 23:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
tohiny...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0693