Asaramanitra (Tarika H'Avana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misomebiseby mifanaretsaka ny ambany lanitra o
Falifaly mikorana fa ny andro fety
Ny volon'andro toa manambara fa Asaramanitra
Ny akanjo mamirapiratra sy mirentirenty

Misomebiseby mifanaretsaka ny ambany lanitra o
Falifaly mikorana fa ny andro fety
Ny volon'andro toa manambara fa Asaramanitra
Ny akanjo mamirapiratra sy mirentirenty

Ref: Sorisory avy hatrany dia alao an-doha
Fa hitotorebika sy hifaly havanja isika rehetra
Hifanome ny tsara sy hifampirary soa
Ka ho henika hafaliana tsy misy fetra


Kalokalo sy hirahira no manakoako
Velombolo vnisl manarak'izany waarlm reo zava-boahary
Vely aponga sy tononkira.serasera.org gitara arahin-damako
No mampiseho ny hafaliana mibaribary

Kalokalo sy hirahira no manakoako
Velombolo manarak'izany reo zava-boahary
Vely aponga sy gitara arahin-damako
No mampiseho ny hafaliana mibaribary


Ref: Sorisory avy hatrany dia alao an-doha
Fa hitotorebika sy hifaly havanja mrezvuug isika rehetra
Hifanome ny tsara sy hifampirary soa
Ka ho henika hafaliana tsy misy fetra

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika H'Avana
Visites : 236
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ibanez
Date : 20/01/2026 23:15
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0421