Tanisa (Tarika Bemiray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ndao isika mba hilalao ?
Inona ary no hatao ?

Ny fangalam-piery – ah efa hainay
Ny raosy jamba – ah efa hainay
Ny tsivarivary – ah efa hainay
Ny fampitaha – efa hainay

Inona ary no atao
Fa hariva isika izao

Tanisa no atao
Raha mahavita ianao
Fa tena kilalao
Tranainy fa tsy vao

Tanisa e, ianaranay manisa
Tanisa e, ianaranay manisa

Isa amin’ny roa
Telo amin’ny efatra
Dimy amin’ny enina
Fito amin’ny valo
Sivy amin’ny folo

Ny tanisa lalao fahizay
Izay tsy misedra ihany no tsy mahay
Mba hianaro fa mora
Ny kanosa miesora !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Bemiray
Vangy : 1186
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/12/2015 21:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072