Marovoay (Tarika Bemiray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O-ie O-ia
Alamino o-ie o-ia
Jereonareo ny any Marovoay
Raha ny fambolena mafana vay
Izy rehefa miasa tena maresaka
Na ny Tsimihety na Betsirebaka
Ambarako anao ny tena mazava
Na ny Masikoro na Sakalava
Porofo mazava efa hitantsika
Fa na ny vary botry na makalioka
Izy raha mamboly tena mifikitra
Na ny vary lava na "riz de luxe"
Ny vola amin'izany dia mille mille
Ka tsara sakafo, ampy vitamina
Izy amin'izany mahitahita
Ka manatona ho azy hatramin'ny sipa
Sakalavan'i Marovoay
Raha ny fambolena mafana vay
O-ie O-ia

O-ie O-ia
Alamino o-ie o-ia
Jereonareo Ambatondrazaka
Raha ny voly vary tena manjaka
Ao ny Soamalaky na ny Sihanaka
Izy raha mamboly tena fitaratra
Atsinanana kely dia ny Rasaraka
Ny azy ny asa vita dia hita miavaka
Jereonareo ny voly voankazo
Ny olona rehetra mifankahazo
Ao ny mavokely na ranjalia
Indrindra ihany koa fa ny "letchis"
"Dessert" mihaja raha ny "la vie"
Manarak'izany voly kafe
Voahajahaja ry ramose
Na ny jirofo na lavanila
Ka tsara lamaody ry Jacqueline
Fa ny azy ny zipo didy "swing"
Mampamangy an'i Nina e
Ireo zahay ry havako a
O-ie o-ia

O-ie o-ia
Alamino o-ie o-ia
Any andrefana any Tsiroanomandidy
Vahoaka indray no tompon-tsafidy
Sanatrian'ny mponina izay hividy
Fa na vary eny an-tsaha na vary an-tanety
Dia mampakatra "tonnes" amin'ny sarety
Izany hono izy rehefa tonga amin'ny fety
Faly mikorana mirentirenty
Fa ny azy ny antitra efa sola
Mbola miara-mizaza amin'ireo tanora
Satria re mamokatra be ny vola
Aza variana ry Merina ô
Fa ny angady no tena mamelona
O-ie. o-ia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Bemiray
Vangy : 1360
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/06/2018 22:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5207