You are here: home > Tononkira > Tanora Masina Itaosy

Zandrin' i Jesosy (Tanora Masina Itaosy)

https://tononkira.serasera.org/hira/tanora-masina-itaosy/zandrin-i-jesosy

1- Ho anao namako hatrizay
No anolorako ty hira iray
Tongasoa an-tranon-dray, fa efa ela izay
no niandrasanay anao mba handray

Fotoana izao iantorahanao
Fa ny Tompo anie dia tsy mba mandao.
Nefa mitandrema ihany fa misy ireo tsy ho faly.
Ny hahita anao handray izany.

Isan'andininy:
Tsy ho moramora ny handre ny akoran'ireo namanao
Fa lalam-baovao izao no izoranao.
Satria mbola oran'ireo mpanakora
zao iainantsika izao.
Mbola ho avy anefa ny anjaranao.

Ny tsy finoana(Sy ny famoizam_po)
No injao mandona(Te hameno ny loha)
Rehefa injay fa mafimafy ireo adim-piainana.
(Raha mafimafy ny fiainana)
Ka tsy hita izay hitarainana
Jesosy antsoina(F'Izy lay tsy mba mandao)
Ninon'in hidona(Izy anie Zokinao)
Zanak'Andriamanitra ianao ka tsy ho laviny
Fa ekeo izay fitantanany ireo Tsiky dia ampyzandriny.


2- Lalao niainanao taloha,
sy ireo fomba ratsy nandratra fo.
Avelao any avokoa satria tsy mahasoa,
soa fa teo Jesosy nanova toko.

Ny ho avy izao no ho banjininao,
tsy hamerenanao ireo ota natao.
Nefa mitandrema ihany fa misy ireo tsy ho faly
ny hahita anao hiova toy izany

Isan'andininy:
Tsy ho moramora ny handre ny akoran'ireo namanao
Fa lalam-baovao izao no izoranao.
Satria mbola oran'ireo mpanakora
zao iainantsika izao.
Mbola ho avy anefa ny anjaranao.

Ny tsy finoana(Sy ny famoizam_po)
No injao mandona(Te hameno ny loha)
Rehefa injay fa mafimafy ireo adim-piainana.
(Raha mafimafy ny fiainana)
Ka tsy hita izay hitarainana
Jesosy antsoina(F'Izy lay tsy mba mandao)
Ninon'in hidona(Izy anie Zokinao)
Zanak'Andriamanitra ianao ka tsy ho laviny
Fa ekeo izay fitantanany ireo zandriny.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Mpamaky : 160
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 20/05/2020 04:57:29
ID : 12739

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo