Tolory tanana aho Ray (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny zavatra rehetra raha mbola eto an-tany
Dia tena manam-Petra n'inon'inona izany
Mandalo avokoa ireny, miserana toy ny teny

Ka moa tsy tsapanao ve fa marina izany?
Ny tsara ho andrandraina dia 'lay tsy mba lany mamy
Ilay Jesosy Kristy TOMPO no tehirizo sy kajio ao am-po

Fiverenana : Tolory tanana aho Ray fa te hiaraka aminao
'Zay vitako hatrizay ka nampalahelo anao
Ifonako avokoa ireny, ifonako ombieny ombieny

Ny maso izay mijery no mibaiko ny ao anaty
F'izay rehetra hita toa mambabo tsy ho tanty
Fa na ny ratsy na ny tsara dia toa iray fa tsy mizara

Ny sitraky ny Ray dia mba aoka ilay fanahy
Hitoetra ao aminao, hampanjary izay hatao
Ny tanjona tena kendrena dia ny ahazoana Famonjena

Fiverenana : Tolory tanana aho Ray fa te hiaraka aminao .... (bis)

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 248
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 21:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801