Sambatra (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tena sambatra sy maha te ho tia,
raha ny fiainana any an-danitra any
Tena fiainam-bavaka ny any,
fa tsy toy ny zava-misy eto an-tany

Izay rehetra voavonjy dia iray,
tsy mba misy ny ambony sy ambany
Fa Izy Tompo no efa nampiray,
Tamin'ny Tenany sy ny Rany

Fa ny zavatra misy hatramin' izao,
dia mandeha tamin'ny ditrany hatrany ôôô
Nampalahelo an'Izy Tompo izany,
nefa ny toerana ho vantaninao,
fiainan-tsambatra tsisy tomany ôôô
Mba eritrereto sy saino ihany.

Isan'andininy:
Sambatra,tena sambatra izay tonga any an_danitra any.
Ka homany dieny izao ny fo,tena,[Fanahinao]X2.
[Santatry ny fiainan_danitra koa raha Jesosy no ao]X2.

2- Koa aleveno jiaby ny ota tety,
mba tandremo tsy hiverina intsony
Ity tany feno fahotana ity,
no kajiny sy heveriny ho ambony,

ny tena tsara dia ny zava-panahy,
ho tanteraka amintsika izay mino.
Handeha hiasa ho an'ny Tompo zalahy,
tsy ho rambony fa ho tena fanilo

Tsofy ny anjomara masina,
asandrato any ambony hatrany ôôô
Dia ambarao fa antson'ny Tompo izany
Sady fanamboaran-dalana masina,
izay mizotra mankany ôô
Am-paradisa, any danitra any

Isan'andininy:
Sambatra,tena sambatra izay tonga any an_danitra any.
Ka homany dieny izao ny fo,tena,[Fanahinao]X2.
[Santatry ny fiainan_danitra koa raha Jesosy no ao]X2.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 1950
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Herizo15
Daty : 20/05/2020 18:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728