Saino anio (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy hery izay manaitra ny ato am-poko
Manainga ahy mba hanamafy ny finoako
F'izaho 'lay zanaka najoro, natao hizara sy hanoro
No sanatria tsy anefa indray ny didiny
Ianjadiam-pahakiviana ihany
Mahita ny olana miseho eto an-tany
Ny fiainana no miharatsy, sa ny mpitory no tsy ampy
Ifonako ny anjara izay tsy vitako

Izany rehetra izany anefa anie ry Tompo
Dia bitsika ho an'ny tsirairay hiroso
Amin'ny fanompoana Anao
Tsy an-tery na amin'ny molotra
Handrava izay tsy nambolen'ny tànanao
Ianao Jesosy Ilay tia tsy manam-petra
No tokinay amin'ny zavatra rehetra
Ho jiro mpanazava anay
Ho ampinga sy hampahery koa
Ho sabatra fanohitra amin'izay manjo

Ny androm-pahavelomantsika raha jerena
Dia misy fandaharana tsy maintsy ekena
Na zazakely mena vava, na voky taona dia aoka hazava
Fa antsoiny rehefa izay no sitrany
Atomboy anio ny fanomanan-tena
Jesosy no fidio raha tianao ny ho vonjena
Aza manao hoe efa tara, banjino tsara ny any am-para
Fa tsara ny mitoetra eo ankavanany

Moa tsy tsapanao ve ny famindram-pony
Impiry impiry moa ianao no nantsoiny?
Namaly ny antso ve ianao? Sa dia nanampin-tsofina
Sondrian'ny haren'izao tontolo izao
Na zanaka adala aza ianao dia tiany
Na ny mangidy na ny mafaitra efa nihafiany
Ka inona no havalinao an'i Jesosy Tomponao
Mba saino anio izay tena tokony hatao
Mba saino anio izay tena tokony hatao

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 116
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 21:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3015