Jereo ny Kere (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O! Ry mino eto an-tany
Fantatrao ve fa misy any ho any
Misy feo mitoreo mitaraina ary koa mitomany
Maneran-tany dia misy avokoa fa ny antsika
Aza hadino zareo ny any atsimo
Fa mahantra tokoa izy ireo

Ny rehetra an-tanàna
No mizaka ity fahantrana
Tsisy rano tsy misy sakafo reraka sy ana
Toa ranom-bary andohalika ka mba jereo
Fa mijaly zareo ny any atsimo
Mba vonjeo fa kere izy ireo

Fiverenana :
Malahelo ny fo fa ny zaza rehetra
Nantenaina mba ho tanin-ketsa
Dia marefo mijaly erý,o! Ry, Jesosy Tompo o!
Miasà ry Jesosy o! miasà Ianao ato anatinay
(O!mba miasà,o!avia mba miasà,Tompo o! Avia miasà,Ianao ato anatinay)
Mba ho tena fitaovana tena mahomby izahay,ka hanampy azy ireo
Mba hanampy ara-nofo, fa indrindra koa ny ara-panahy
(Ka hanampy azy izaho hanampy azy na ara-nofo izany na koa aram-panahy)
Arotsahy ho an'izy ireo 'lay tsy mba mety ho lany fa
Ianao Tompo, Tompon'ny saha.

O! Ry Raiko ao Ambony.
Mba jereo izy ireo ka hazony.
Aza avela hitoreo,hazavao koa ny sainy ho tony.
Ampahafantaro azy tsara fa raha Ianao.
No omeny ny safidim-pony.
Fiainan-tsambatra tsisy lonjony.

Izay ahiana rehetra.
Mety hamatotra mampanjoretra.
Dia didio mba hiala ao atsimo tsy misy fepetra.
Aoka mba hajanka ao ilay fanahy mpanavao.
Hanavaozany koa ny finoany.
Ka Ianao dia Ianao no ho tompoiny.

Fiverenana : Malahelo ny fo fa ny zaza rehetra ...

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 113
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 22:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719