Hanamboatra fitoerana (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro voalohan'ny herinandro tamin'izay
Vao marain'andro mbola maizimaizina koa
Dia roso ny dian'ity vehivavy anakiray
Hamonjy ny fasana misy an'i Jesosy (Jesosy)
Nefa toa fahagagana avy hatrany no hitan'i
Maria Magdalena teo am-pasany
Nikodia ny vato nankaiza ny Tompo tsy fantany
Ka hoy izy hoe nisy naka i Jesosy (f'aiza Izy)

Nihazakazaka ravehivavy nandeha nampandre ireo
Mpianany tany an-tanàna satria nisy naka ny fatin'ny Tompo
Rehefa nitsirika ny tao am-pasana ireo ka nahita
Ny lamba nipetraka teo koa ny mosoara izay tsara valomana
Dia niditra ny anakiray tena nanam-pinoana
Fa ny Tompo dia hitsangana f'ao ny fotoana
Tsy handeha tsy hiverina na koa hifarana hatreo
Fa handeha HANAMBOATRA FITOERANA ho anareo

Harivarivan'ny andro voalohany tamin'izay
Ndreo tafavory ny mpianatr'i Jesosy
Natahotra mafy ny Jiosy izy ireo ka narindriny
Ireo varavarana izay niangonan'ny mpianany
Tonga Jesosy nitsangana teo afovoany
Niteny hoe "fiadanana ho anareo"
Ka naneho ny tanany naneho ny lanivoany
Dia faly aok'izany ny mpianatr'i Jesosy(faly ery)

Nisy ny anankiray tam'ireo izay tsy nino avy hatrany
Satria tsy mba teo raha niseho tamin'ny mpianany Jesosy Tompo
Sady am'zay mbola nila porofo ka raha tsy hitany
Fa io tokoa ilay holatra an-danivoa sy amin'ny tànany
Dia tsy hino na dia hilazàna f'Izy Ilay Mpampianatra
Nefa izay tsy mahita ka mino dia sambatra
Fa voasoratr'izao mba hinoantsika ity Zanany
Sy hananana fiainana amin'ny Anarany

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 92
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 21:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734