You are here: home > Tononkira > Spydee

Kaliana (Spydee)

https://tononkira.serasera.org/hira/spy-d/kaliana

Kaliana, Kaliana o !
Ataoko ahoana ny tsy hijery anao ô
Anjely latsaka an-tany no fahitako anao ô
Tsotra sy tsara indrindra, tokana ianao
Kaliana, aiza ianao, aiza ianao?

Manahirana, mampiasa saina
F’izay aleha rehetra tsisy tsy ahitanao an-dRavehivavy
Maka fanahy na tsy fanahiniana aza
Na famindra na fomba fijery
Na endrika, na bika, na fitafy teritery
Mbola any aminao
Ilay fihetsikao tsy manan-tsiny anefa no mandrava
Raha mandinika ny hatsarana
Ny hatsaran-tarehy tsy voararan’ny lalàna
Eto Dago rahalahy
Fa natao handravak’ity tontolo iainantsika isan’andro
Fa ny mety ho indro kely, olana eo amin’izany
Dia ny fakam-panahy, fakam-panahy tsy mety hoTsiky dia ampy lany
Kanefa atao ahoana moa ity fiainana raha tsy nisy an’izany

Ref…
Volo lava no mandravaka ilay endrikao sariaka
Ny molotrao malandy, masonao fotsy botsiaka
Ny sorokao raha mijoro
Ny ankoatr’izay tsy ilaina atoro
Sao aloha ny foko ho torotoro (Ha !..)
Fa raha … ny feonao no asiana teny
Raha ny bitsikao mandangolango
Safosafo, rangodrangotrao
Toa mampitsangam-bolo
Ny horokao tsy hay asolo
Aleo hatreo, ny sisa ho ahy sy anao, Yeah !
Kaliana, Kaliana ô !..


Tsy haiko ny hiaina raha tsy eo anilanao foana aho
Tsy misy mety ny atao, ny saiko any aminao
Mila ny horokorokao Mila ny safosafonao
Mila izay rehetra rehetra mety ho azo avy aminao


Ref… (x2) SPY D. DRAGON Ent. 2003.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Spydee
Mpamaky : 967
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : dafytahiana
Tamin'ny : 08/02/2015 17:53:15
ID : 7145

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo