You are here: home > Tononkira > Spydee

Sesitany (Spydee)

SESITANY



Be ny vitany , tsy tana, nosamborina, tsy tana
Maro be tsy tanisaina no efa vitany
Taona maro nisamborana azy toa tsy sarona
Fa miporitsaka tsy tana izy
Fa tsatok’antsy, vakitrano, poa-basy sy soloky
Zany ny azy ny antom-piainany
Fa vao mandre ny anarany dia tahotra sy horohoro
Sesitany, zay no anjarany

Ref Efa any am-ponja ary ve izy izay, sa mbola tsy fay
Ny figadrana tsy hita hoandrandraina, fa izy tsy tana
Very izy e, nijaly izy e, fa tsy nety fay
Fa na ny anarany aza tsy ho faty na dia sesitany

Vao mandalo izy dia ny rahona no mifamory
Aloka hatrany no manaraka azy
Halatra, tahotTsiky dia ampyra, mampijaly ny eto an-tany, Oooh !
Mampitomany izay lalovany
Ny fiainany raha eto an-tany mifangaro ny vinany
Masony aza toa miloko Afo
Na harena, na ny tena, nosimbainy, tsy manan-tsiny, Oooh !
Ka ny Satana aza resiny

Ref…

Hatrizay tsy fantatra fa mihafina, izay vita eo no hitsarana anao
Sa tsy tsapanao ny fangejana misy matoa ianao lasa lavitra toa izao
Sa atao hoe ny fitondrana sy ireo tsy tandalàna
Ka voatakalo ‘lay fahamarinana
Vola sy harena ve no nahatonga anao hijaly sy ho lasa sesitany…

Ref … (x2)


       SPY D feat. RAY’HARZ & NEEKO
       Music : Spy D.
       Lyrics : Spy D / Ray’Harz / Neeko.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Spydee
Mpamaky : 928
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Spydee
Tamin'ny : 24/10/2014 18:25:50
ID : 6796

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo