Mahafinaritra ny miaina (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa na maloka aza ny andro, dify ilay masoandro, mbola hiposaka izy ny ampitso
Asio lay tsikinao lay mambabo hampitony ny adintsaina fa mbola velon'aina
Na maraina na antoandro, hitako isan'andro ny endrikao lay misariaka
Dia izay no tsy ahafoizako anao fa lay tsikinao maraina no mampahatsiahy fa,
Mahafinaritra ny miaina.

Tao anaty torimaso tsy tonga aho no nahatsiaro anao
Tsaroanao ireo tsy nety rehetra nanafoana ny tontoloandronao
Ny saiko toa mandà ny hitraka, feno hakiviana
Nefa haiko fa tsy maintsy mbola hifoha koa avy eo, hiarina eto na tiana na tsy tiana

Ny fandrika sy fingana maro dia mety hitranga
Mety hisy koa ny teny mandratra hanakana ny lanitrao tsy ho manga
Mitady izay mba mety hihiratra kely, inona no hatao
Hany heriko, nakipiko indray ireto masoko ahatsiarovako 'lay endrikao

Soa fa nisy anao, tsy lavitra f'any ho any
Mbola ho antenaiko hatrany
Ianao irery d'efa ampy hamafa ny tomany...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 1537
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/07/2019 09:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117