Izaho sy ianao, mandrakizay (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy feo miantso avy any alavitra any
Toa manainga ahy lay feo,
Toa miteny hoe miomàna
Taitra ny saiko, ny foko mitempo tsy ho tana
Raha vao maheno hoe,
Efa miala any ny akama

Zaho sasamiandry
Tsy tafandry mandry
Ny alina iray manontolo
Toa efa tsy andry,
Ny akanjo efa voasolo

Raha toa mitady azy ianao,
Tsy sanatria ditra ny revinay,
Fa hanafoana ireo ahiahy
'Reo akama any efa miandry izay,
Hiara-dàlana no tanjonay
Izaho sy ianao, mandrakizay

Miaraka miainga, dia miara mifaly
Eny ambony soavaly metaly
Misy ireo mbola tara fa tsy asianay kafara
Rehefa miaraka aminay
Raha hiaraka aminay dia arotsahy ny sanjila
Velomy ny vy,
Io manja foana rehefa miara-dia
Rehefa tsisy nianjera, akaro ny vera
Tsakin'ady efa mandeha
Dia ampio iray ny labiera

Omaly efa sasa-niandry,
Tsy tafandry mandry
Alina iray manontolo
Samy efa niandry
Ka tsy ho atao afo mololo

Raha toa mitady azy ianao,
Tsy sanatria ditra ny revinay,
Fa hanafoana ireo ahiahy
'Reo akama any efa miandry izay,
Hiara-dàlana no tanjonay
Izaho sy ianao, mandrakizay

Raha toa mahatsiaro azy ianao,
Dia tongava mba ho namanay,
Iray minitra ho ataonay tsiahy
Ireo akama nandao hatrizay,
Sanatria tsy ho adinonay
Izaho sy ianao, mandrakizay

Raha toa mitady azy ianao,
Tsy sanatria ditra ny revinay,
Fa hanafoana ireo ahiahy
'Reo akama any efa miandry izay,
Hiara-dàlana no tanjonay
Izaho sy ianao, mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 1598
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/05/2019 11:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115