Fehezam-boninkazo farany (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa maninona ary izato fiainana no toa misotasota, toa manendaka ankitsirano
Ilay tokana tsy azo hasolo, nindaosim-pahafatesana tsy hiverina intsony.
Ilay fotoana fohy tsy nahateo anilany ahy iny, dia nivadika ny rasa
Nony hiverina ao an-trano aho hanoroka azy, ny vatany no teo, ny ainy lasa
Fa maninona no anjarany ny handeha sahady, dia izany ve no anjara nofidiana ho azy
Tsy haiko anefa ny hanome tsiny anao ry Raiko ao ambony, izay va re no tena sazy ?
Ontsa izany fo, resy koa ny loha, ny ranomaso no mipatrapatraka eto an-tava
Sao dia tafahoatra loatra, fa rehef'izay no sitraky ny Ray, tsy afaka manoatra

Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
Hampanarahako ny anaranao
Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
Ho mariky ny fitiavako anao
Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
No zary fahatsiarovana hampiononan-tsaina
Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
Fa tsy haiko intsony izao raha mbola mamiko ny miaina

Mitamberina ato an-tsaina izao ireo fotoana mamy niarahantsika
Fa dia lasa ianao, tsy hiverina intsony, lasa nody ilay masoandro nibaliaka
Alahelo sy tsiahy mangidy no navelan'ilay fahalasananao
Fony izaho sy ianao sambatsambatra ireny, izaho sy ianao nisangisangy nilalao
Lasanao nanaraka any am-pasan-drazana lay fitiavako mangina
Tsy nafoinao hajanona eto an-tany lay fitiavana sy fifaliana,
Fa nentinao satria efa natokako ho anao
Fa any andro any taona mbola hitambatra ho iray izaho sy ianao

Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
Ho ampanarahako ny anaranao
Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
Ho mariky ny fitiavako anao
Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
Ho mari-pahatsiarovana hampiononan-tsaina
Fahatsiarovana, fehezam-boninkazo farany
Fa tsy haiko intsony izao raha mbola mamiko ny miaina

Teo am-pamonosan-dambamena nitamberina 'reo tsiahy,
Veloma farany nataony tamy tsikitsiky.
Nigogogogo nitomany, nipatrapatraka ny ranomaso, latsa-panenenana,
Lay zanaka nateraka nandalo dia niserana
Fa ny varavaran-kazo efa natao tsara hidy, ankehitriny hitsofoka amy varavaram'bato.

Sombiniaiko, mamiko sy tena tsy mba foiko indrindra,
Aza manadino ahy
Ny Fanahinao no fitokiako, ny fahalasananao izao no hazo fijaliako
Fahatsiarovana fehezam-boninkazo farany
Fahatsiarovana fehezam-boninkazo farany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 1941
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/05/2019 10:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117