Diam-penina (2014) (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
...Diam-penina sy ilay horoka farany anisan’ny sarobidy ka tsy hay hadinoina,
Fa velomam-pisarahana no mitoetra ankehitriny,
Io ilay fihaonana namalona ilay fitiavana…

...Nidify izao ilay taona izay niarahantsika
Ka nahoana ary ianao no tsy tamana
Toa zary baiko moana no nifandraisantsika
Ianao ve tsy nahalala sa izaho no efa adala
Fa nahoana no zary nandamoka
Sa fitia tsizarizary toy ny tantara an-tsary
Ka dia lasa raki-tsoratra eo an-taratasy fotsy Ilay
Diam-peniko eto no ajanoko ho porofo (Baby…) ...

...Sento… tomany
No hany mba navelanao teto omaly
Tantara sisa hamisavisa foana hatreo ilay nandrandraiko hateza ela
Ilay Diam-peniko no sisa mba tavela…

...Fa nantsoiko mafy anaty ny anaranao
Niara’ory aho sy ny tontolo izay jereko
Nanontany tena aho, tsy nahita fahazavana
Toa hazo amoron-kady, tsy nahita izay ialana (Ooooh-Yiii)
Toy ny sokona nananika ny vatolampy
Tampi-dalana haleha, toy ny tanàla very sampy
Ka ny peniko no hany hitanisa izany androany
Tso-drano re fa ny fitiavako anao tsy ho lany. …

...Dia-penina sy ilay horoka farany anisan’ny sarobidy ka tsy hay hadinoina,
Fa velomam-pisarahana no mitoetra ankehitriny,
Io ilay fihaonana namalona ny fitiavana…

...Sento… tomany
No hany mba navelanao teto omaly
Tantara sisa hamisavisa foana hatreo ilay nandrandraiko hateza ela
Ilay Diam-peniko no sisa mba tavela…

...Dia mbola iny ianao nahatsiaro ho irery sy nangina
Dia tsarovy fa mahatsiaro koa ny aty
Anjara nifangaro ilay tia sy ny tiana
Ianao tsy nahazaka izaho tsy nahatanty
Ny adintsika sy ireo fifamaliana
Aoka ireny hivalona any raha toa sento sy tomany
No mba azontsika nojinjaina ho valin'ny fitia
Na fantatra aza izaho sy ianao fa mbola samy tia...

...Fa nahoana no sento sisa sy tomany no valin’izany rehetra izany,
Fa dia ratsy toa inona ary ve no nifanaovantsika, satria ianao, ianao ,
Ianao tsy hiverina intsony fa leon’ny fony,
Miantso anao aho re,
Fa toa mangidy tsy hay tohaina ny malahelo mitaraina,
Tsisy hahasolo toerana anao, fa ianao , ianao irery Baby,
Ianao irery Baby …mila anao , miverena, miverena…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 3067
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Andy Jao
Daty : 13/08/2015 13:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712