Antoniaina (Spydee)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ANTONIAINA

…An an…,euh, am’sivy sy sasany…, efa…, efa niandry teo foana aho fa tsy nisy olona tonga izany mihitsy hoa teo ! Sa…, sady ilay andro anie avy orana be e…, tsisy nitelephon’a ?..

Tao anatin’ny fotoana nampangina ny fitiavako no nahitako anao
Efa fahakiviana hatry ny ela no niainako, no indro tazako ianao
Fanantenana vao nifoha, mamelovelo zava-tsoa
Rahatoa ka mba ianao ilay sitrako no Antoniaiko (Antoniaiko…)
Tsy ho adino, sarobidy am-poko, nampihiratra ny maso
Ilay fotoana nanokafanao ny foko teo am-pahitana anao
Fitia mangina ihany aloha, tsy sahiko notoriana taminao
Fa vao mahita ny endrikao dia ataoko ampy aloha

Ref : Sandratry ny fitia vaovao
Antoniaina ianao
Santatry ny fanantenana
Mpanjakan’ny foko, Lapa atokako ho anao
Ny anaranao no antsoiko am-po (No antsoiko am-po…)
Fa miandrandra foana aho, rahoviana ho fantatrao
Fa Antoniaiko ianao… (Baby…)

Niandry foana aho, niandry ny mbola hahita anao (Ny mbola hahita, ny mbola hahita anao…)
Fa ao am-poko ao fantatro tsara
Fa raha tsy haharitra aho, raha mbola anjarako
Dia ho zava-poana ilay fanantenana notaizaiko mangina
Fa tiako hihoatra noho ny faniriana izao rehetra izao (Izao rehetra izao efa foiko ho anao…)
Fa tsy ho nofinofy foana akory ny fahitana anao
Ooo !.. Fantatro fa miankina aminao na ho anjara io na tsy ho anjara
Ianao no tompon’teny ka izay teninao tsy ho ataoko ho toy ny faran’teny
Fa anao ny safidy, toaviko hatrany io, mamy na mangidy
Fa raha mbola sitrakao dia ankasitrahako…, fa tiako ianao !..

Ref : Sandratry ny fitia vaovao
Antoniaina ianao
Santatry ny fanantenana
Mpanjakan’ny foko, Lapa atokako ho anao
Ny anaranao no antsoiko am-po
Fa miandrandra foana aho, fantatrao ve
Fa Antoniaiko ianao…

Brdg : Antoniaina, sandratry ny fanantenana
Antoniaina, tara-pahazavana ianao…, Oh…
(Aiza ianao fa mitady anao hany aho !)

Ref : Sandratry ny fitia vaovao (Sandratry ny fiainana vaovao…)
Santatry ny fanantenana (Santatry ny fanantenana o !..)
Ny anaranao no antsoiko am-po (Ny anaranao no antsoiko am-po)… (Ny anaranao, ny anaranao…)
(Sandra…, sandratry…)
Oh Baby Antoniaina !..
Sandratry…

SPY D. 07 Aout 2003.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Spydee
Vangy : 2105
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Spydee
Daty : 24/10/2014 18:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3393