zana-pokonolo (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:Fa tsy zanak’alika io
tsy zanak’adala
fa zana-pokonolo
Tsy nandalo ankanin-jaza
tsy nandalo sekoly
fa tonga dia olo
Milaza mahavita tena sy mahavelon-tena
ary mahagaga mihitsy fa io tsy mitsitsy
Tsy mahalala abidy tsy mahay mamaky teny
nefa mahita vola

Tsy mandroba ny ao an-tanana io
tsy mandroba ny akamakama
Fa vahiny mandalo no ataony fahy rano
Ny asa mba tiany izay mba niriny
dia ny hanao mpihira na hanao miaramila
nefa sarotra ihany no hahavitany an’izany
Fa matetika aloha dia mamaky sinoa
Rehefa tsisy karama dia mandroba karana
"any @ leiry any ny kadasitra any Tsaralalana e"
Rehefa hanaja ny baiko io dia toy ny boloky
rehefa manao fetsifetsy dia mahay misoloky
Kelikely mahia fa kay ’rosanaly’ ’ty

Ref:

Nisy andro nahory an’io fa tsisy n’inona n’inona
dia nisy nangala-tety
fa hametraka barazy any Barikavily
Niakatra fitsarana io nisy fotoana
Fa navotsotry ny mpanao lalana fa hoe tsy ampy taona
Dia nalefa teny Ambohidratrimo t@ zaza maditra
Fa vao maika nitrifana,vao maika niridana
vao nahazo ekipa
Ilay andian-jatovo lasa andian-jiolahy
kanjo tratran’ny pra
Tsy nandalo Antanimora,tsy nandalo Anosilava fa avy hatrany dia Tsiafahy
Dia nivoaka gazety hatramin’ny internety
fa hiaraha-mahalala fa ity tany tanalana
Dia tsy te hahalala ny izay mihoa-pefy
sy manao ny tsy mety
Nefa anie...

Ref:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 5309
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 10/04/2006 14:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3056