Zahay roa (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô mahagaga ery Zafindrasoa
Tampotampoka teo nanambady an'i Lita
Nanjary resaky ny ao an-tanana e
Mifampikitika daholo ny tary sy sipa.
Fa nanomboka teo hono madama kely
Niova fihetsika, niova fiteny
Tsy miresaka intsony amin'ny akamakama e
Fa ambarany adala, mifandany zara.
Dia lazainy tsy mety koa hono ny ataonay roa
Firy taona niarahana tsisy n'inoninona
Azafady mihintsy e ry madame Zafindrasoa
F'izay madinika tsara vao miara-manidina e.

Fa raha ny andro any aloha
Dia mbola izao no ao an-doha e
Hifanaja foana 'zahay
Fa izy ankehitriny dia efa izay oah
Zahay tsy hoe namaky loha.
Fa ny anao anefa izay izay izay
Rehefa izy no tandrify
Ny anjara tsy midify
Dia efa izay oah, dia aleo anay ny anay e.

Toa azoko sary ao an-tsaina sahady
Hoe i Samoela efa te hanambady
Aza misy manahy ianareo mianakavy e
Fa ho asaina daholo na lahy na vavy.
Aza misy manahy ianareo re ry vahoaka
Fa ho tondraka be oah 'lay vary sy 'lay toaka
Dia ireto izahay roa vonona hivady
Ianareo mianakavy mitehaka jiaby e.

Fa raha ny andro any aloha
Dia mbola izao no ao an-doha e
Hifanaja foana 'zahay
Fa izy ankehitriny dia efa izay oah
Zahay tsy hoe namaky loha.
Fa ny anao anefa izay izay izay
Rehefa izy no tandrify
Ny anjara tsy midify
Dia efa izay oah, dia aleo anay ny anay e.

Fa ny anao anefa izay izay izay
Ô ry volana tomaratra
Ô Fitiavana no asandratra efa izay oah
Dia efa izay oah, dia aleo anay ny anay e.

Fa ny anao anefa izay izay izay
Ô ry kintana eny ambony
Ampaherezonao ny fony
Dia efa izay oah, dia aleo anay ny anay e.

Fa ny anao anefa izay izay izay
Efa lozanao ny tany
Raha toa handrava izany
Dia efa izay oah, dia aleo anay ny anay e.

Fa ny anao anefa izay izay izay
Fa na ho Jazz na ho Rock
Raha ny bandy tsy mitsaoka
Dia efa izay oah, dia aleo anay ny anay e.

Fa ny anao anefa izay izay izay
Rehefa izy no tandrify
Ny anjara tsy midify
Dia efa izay oah, dia aleo anay ny anay e.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 5837
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : karda
Daty : 19/07/2009 10:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743