You are here: home > Tononkira > Samoela

maimbo eo (Samoela)

Aza dokafana intsony ireo sao manitsaka eo
Aza tehafina akory sao mamalana eo
Ilay mokon-doha-na gasy efa kobonareo
Fa mora mibontsina, mitsefotra be rehefa avy eo
Raha ireo indray no miala teo, asa ny hanjo anareo


Aza ikevokevohana ireo na havanareo
Aza tomorona akory  fa sao maimbo eo
Tantaran’ireo te aloha tsy haiko raha kobonareo
Miaramila mivadika, teo indray ny tranonareo
Toa vahoaka mirongatra, rotaka foana ny teo

Ref :
Ilay politikantsika
Mivadika resak’alika
Efa ohatr’izay io
Dia ohatrohatr’izay io
Dia mbola ho ohatr’izay io
Izay io tononkira.serasera.orgmaro !


Aza dia hizesitiavana hoe ekipako ireo
Aza dia ankalazaina sao manenina avy eo
Ilay mokon-doham-bahoaka efa kobonareo
Vetivety dia roboka fa vetivety dia leo
Raha ireo indray no mitrifana eo, may eo ny tranonareo

Aza mba mahatokitoky mpanao politika ianareo
Aza mba mino an’ireny fa sao marary fo eo
Efa niaraha-nahita ny zava-niseho anikeo
Fa miara-mitolona dia mifanongana avy eo
Rehefa ireo no misaritaka, MAIMBO EO DAHOLO IANAREO !

Ref :
Ilay politikantsika
Mivadika resak’alika
Efa ohatr’izay io
Dia ohatrohatr’izay io
Dia mbola ho ohatr’izay io
Izay io maro !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Samoela
Mpamaky : 2551
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : blahblah
Tamin'ny : 06/09/2013 23:39:07
ID : 6364

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo