You are here: home > Tononkira > RovaTsou

Zaho efa anao (RovaTsou)

https://tononkira.serasera.org/hira/rova-tsou/zaho-efa-anao

Mahatsiaro sambatra aho rehefa eo ianao
Toa mety avokoa izay rehetra atao
Satria tinao, tia anao
Tsy noeritreretiko intsony izay tsy nety tao
Nofafako daholo dia nosoloiko vaovao
Feno anao, efa anao

Zaho 'fa ninao, efa ninao
Tsy misy ny hafa hasoloko anao
Zaho 'fa ninao, efa ninao
Anao, zaho efa anao

Mandeha ny fotoana tsy miova ny fitiavako
Karakaraiko mba haharitratononkira.serasera.org tsara ny antsika roa
Mila anao, babonao aho
Hatramin'izao mbola tia
Na misy ny semban-drahona, adiady indraindray
Tsy ataontsika hanimba izany, izaho sy ianao dia iray
Feno anao, efa anao

Zaho 'fa ninao, efa ninao
Tsy misy ny hafa hasoloko anao
Zaho 'fa ninao, efa ninao
Anao, zaho efa anao

Zaho 'fa ninao, efa ninao
Tsy misy ny hafa hasoloko anao
Zaho 'fa ninao, efa ninao
Anao, zaho efa anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : RovaTsou
Mpamaky : 832
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 26/05/2019 13:10:29
ID : 11745

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo