Efa izy (RovaTsou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niezaka aho ny nitana anao
Nanao izay azo natao, fa tsy nety
Naverinao ireo teny nandratra
Ireo teny tsy voahevitra, nankarary fo

Ka lasa nandao, dia taitra teo aho
Nantena ilay mandrakizay
Natory tsy nisy ahiahy
Nangaina tavela teo aho


Efa izy indray izao no ilay tokana hoy ianao
Fa tsy izaho intsony
Navelanao teo aho ka maizina ny tontolo


Efa izy indray no nisolo ahy
Efa izy indray no mambabo ny fanahinao

Manirery aho,
Mitanisa ireo izay rehetra natao
Ny lasa tsy hiverina intsony hoy ianao
Ka hanadino anao no filamatra vaovao ho ahy
Miandry ilay anjara sahaza


Efa izy indray izao no ilay tokana hoy ianao
Fa tsy izaho intsony
Navelanao teo aho ka maizina ny tontolo


Efa izy indray no nisolo ahy
Efa izy indray no mambabo ny fanahinao

Efa izy indray, efa izy indray
Efa izy indray no ilay tianao hoy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RovaTsou
Vangy : 1250
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zolie2mwzel
Daty : 21/08/2018 19:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734