You are here: home > Tononkira > RovaTsou

Diso tia (RovaTsou)


Diso tia aho, tia loatra e
Ka mba omeo, mba vonjeo
Lay fara-fitiavana, hahazoako miantso anao hoe Malala
Sombintsombiny, fofom-pofony
Afaka hitaiza, hanolokolo,
Ity fo manantena, ilay fitia e
Avy aminao

Ny fo te hifandray, ny saina no mandà nefa
Diso tia, tia Tsiky dia ampyloatra e

Tena tia e, saingy indrisy
Manahy mafy aho, sao lavinao
Ka zary ho lasa neniko
Ny hilaza izany aminao
Dia ho koboniko, mandra-pahoviana e
Ilay fitiavako adaladala,
Fitia tsy hay resena
Tsy mahalala hafa tsy ianao

Ny fo te hifandray, ny saina no mandà nefa
Diso tia, tia loatra e

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : RovaTsou
Mpamaky : 422
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 30/01/2018 16:13:12
ID : 10321

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo