Taiza ianao ? (RovaTsou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nihevitra ianao fa tsy hisy ahasolo anao mihitsy
Nihevitra ianao fa tsy hitia aho ankoatra anao
Ekeko fa marina avokoa izany
Tsy ankehitriny intsony nefa
Fa taloha ihany
Fa taloha ihany

Efa nilaza aho fa ianao no alahelo
Raha izaho no handeha, no handeha
Niteny aho fa ny fitia dia izaho sy ianao ihany
Fa ianao tsy nandre, tsy nandre

Taiza ianao?
Tamin'izaho nila anao
Izao efa ritra ny fitiavako rehetra
Taiza ianao?
Tamin'izaho tia anao
Izao efa tara ny momba antsika rehetra
'Reo momba antsika rehetra

Taiza ianao? Taiza ianao?
Tamin'izaho nila anao
Ouh, izaho nefa nino ny nolazainao rehetra
Hoe tia ahy ianao tahaka ny nitiavako anao
Ny teny maminao nataonao nilalaovanao ahy
Tsy hihaino anao intsony aho

Efa nilaza aho fa ianao no alahelo
Raha izaho no handeha, no handeha
Niteny aho fa ny fitia dia izaho sy ianao ihany
Fa ianao tsy nandre, tsy nandre

Taiza ianao?
Tamin'izaho nila anao
Izao efa ritra ny fitiavako rehetra
Taiza ianao?
Tamin'izaho tia anao
Izao efa tara ny momba antsika rehetra
'Reo momba antsika rehetra
Taiza ianao? Taiza ianao?
Tamin'izaho nila anao

Taiza ianao sy ny fitiavanao
Laozanao nilalao
Zao ianao efa tara loatra
Zaho efa nanadino anao, nanadino anao
Ka valio aho

Taiza ianao?
Tamin'izaho nila anao
Izao efa ritra ny fitiavako rehetra
Taiza ianao?
Tamin'izaho tia anao
Izao efa tara ny momba antsika rehetra
'Reo momba antsika rehetra
Taiza ianao? Taiza ianao?
Tamin'izaho nila anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RovaTsou
Vangy : 1640
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/11/2017 11:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0475