Resa-babakoto (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-)
Ny gidro sy ny ala
Tsara karakara
Andaniana drala
Amina miliara
Bozaka aman’ahitra
Biby tsy am-pahitra
Ireo no mifangaro
Samy misy mpiaro

Rakoto ‘ty mijaly
Tsisy mpitotaly
Ny zanany tomany
Tsisy mpanontany
Rakoto dia

Rakoto efa resy
Tsy mba misy SOS

Ref.1:
Resaka foana
Ny amin’ny
Ho an’ny olona noana

Resaka tsy hay
Ny amin’ny gidro sy ankoay
Ho an’ny fisa-tsinay

2-)
Ny tantsaha ilazana
Hijanona an-tanana
Tsy hiakatra ny ville
Tsy hay efa hihinam-bilona
Ianareo miventy
An-dRadio sy an-Gazety
Milaza fa tsy mety
Ny mandoro tanety

Ny Dahalo avela hanjaka
Avela hiorim-paka
Na omby na kisoa
Ndaosiny avokoa
Tsy hoe loham-boto
Ny aina saro-bidy
Voky aloha Rakoto
Vao miadana ny Biby

Ref.2:
Resak’adala
Izay tanety sy ala
Ho an’ny tsy misy drala

Resaky ny marary
Izay voron-dolo sy kary
Ho an’ny tsy mihinam-bary

3-)
Ny Babakoto niala
Ka nandao ny ala
Nitondra fanazavana
Ho an’ny mpitondra fanjakana
Raha noana ho’izy Rakoto
Mihinam-Babakoto
Mafy ady tsisy drala
Mitevy koa ny ala

Rakoto noana? Loza!
Manao Makia kitoza
Tsy lafony ny vokatra?
Endasiny ny sokatra!
Ka ny doro tanety
No heveriny fa mety
Hiantso ny fanjakana
Hijery azy any an-tanana!

Ref.3:
Resa-boloky
Izay tsianjery amin’ny boky
Raha ny kibo tsy voky

Resak’angidina
Ny resa-Babakoto
Raha tsy voky Rakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 2189
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mandresy2014
Daty : 04/05/2015 09:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746