Raiso amin-kafaliana (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hotahian-janahary ka arahabaina re
Tsy narofy, tsy narary
Vaovao ny taona ka dia misaora re
Misaora ny Nahary
Raiso amin-kafaliana izy e, fa tonga
Ia ia iaoo iaoo iaoo
Raiso amin-kafaliana izy fa tonga

Zaza nandao ray aman-dreny, nania
Nanadino ny niaviana
Enga anie mba hiverina amin'ity taona ity
Ka hahatsiaro ny fianakaviana
Raiso amin-kafaliana raha tonga
Ia ia iaoo iaoo iaoo
Raiso amin-kafaliana izy fa tonga

Vady nisintaka fa nifanamaly
Niverina ihany, ela ny ela
Hafa ny anio, hafa ny omaly
Ny lasa dia lasa, ndeha hifamela
Raiso amin-kafaliana izy fa tonga
Ia ia iaoo iaoo iaoo
Raiso amin-kafaliana izy fa tonga
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rossy
Visites : 6475
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 14/04/2019 15:57
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118