Omena azy (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hay izay omena azy fa fetiny anio
Tsy hay izay omena azy fa fetiny anio
Hotolorana vola ve ? hadinony rehefa lany iny
Hotolorana voninkazo ? hadinony raha malazo
Kiraro na koa akanjo vaovao ? ananany be dia be
Firavaka sarobidy ? izaho tsy dia manam-bola

Hirahira sy mozika omena azy
Hokaloiny raha malahelo
Hirahira sy mozika omena azy
Hodihiziny raha mba faly
Hirahira sy mozika omena azy

Arahaba e, arahaba fa tonga fety
Arahabaina e, arahabaina fa tonga fety

Tsy hay izay omena azy fa fetiny anio
Tsy hay izay omena azy fa fetiny anio
Ividianana lamba mena, tsy mety fa lambam-paty hono
Ividianana lamba fotsy, lamban’ny faharesena
Ividianana lamba mavo, hoe manamavomavo azy
Ividianana lamba mainty, tsy mety fa lamban-tsaona

Hirahira sy mozika omena azy
Hokaloiny raha malahelo
Hirahira sy mozika omena azy
Hodihiziny raha mba faly
Hirahira sy mozika omena azy

Arahaba e, arahaba fa tonga fety
Arahabaina e, arahabaina fa tonga fety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 996
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/02/2022 20:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7977