Mbola ho avy izy (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Resaka ve no tantaraina
Olon-dehibe samy manan-tsaina
Nefa ny zavatra fantatray
'Ty fitiavan’ity mampiferon’aina re

Eny ô!
Taitran’ny bika sy ny hatsarana
Zay dia hirifatra ka tsy tana
Hanova fonenana ve ry ngahy
Ka ny vady aman-janaka no hialana re

(Mandram-pihaona tongava soa e)
Mandram-pihaona tongava soa
Raha hanaraka an’iny any lavitra any e
(Ianao no namadika fanekena)
Ianao no namadika fanekena
F'izaho sy ny ankizy dia eto ihany ô
(Aza maharitra ela loatra e)
Aza maharitra ela loatra
Fa rehefa miverina tiako ihany e

Oooooh
Ireo nilaozan'ny tiana tsy tazamaso ô
(Tsy mahinakanina fa misento)
Tsy mahinakanina fa misento ô
Mirotsaka ho azy ny ranomaso ô
(Nefa na ho ela na ho haingana iny e)
Nefa na ho ela na ho haingana iny e
Tsy maintsy miverina fa andraso ô
(Mbola ho avy e)

FIV:
Mbola ho avy izy e
Mbola ho avy izy e
Mbola ho avy izy e
K’aza malahelo
Izay nanova fitàna
Ka nandao ny tanàna e
Mbola ho avy izy e
K’aza malahelo

(Mandram-pihaona tongava soa e)
Mandram-pihaona tongava soa
Raha hanaraka an’iny any lavitra any e
(Ianao no namadika fanekena)
Ianao no namadika fanekena
F'izaho sy ny ankizy dia eto ihany ô
(Aza maharitra ela loatra e)
Aza maharitra ela loatra
Fa rehefa miverina tiako ihany e

Oooooh
Ireo nilaozan'ny tiana tsy tazamaso ô
(Tsy mahinakanina fa misento)
Tsy mahinakanina fa misento
Mirotsaka ho azy ny ranomaso ô
(Nefa na ho ela na ho haingana iny e)
Nefa na ho ela na ho haingana iny e
Tsy maintsy miverina fa andraso ô
(Mbola ho avy e)

FIV:
Mbola ho avy izy e
Mbola ho avy izy e
Mbola ho avy izy e
K’aza malahelo
Izay nanova fitàna,
Ka nandao ny tanàna e
Mbola ho avy izy e
K’aza malahelo

Resaka ve no tantaraina
Olon-dehibe samy manan-tsaina
Nefa ny zavatra fantatray
'Ty fitiavan’ity mampiferon’aina re

Eny ô!
Taitran’ny bika sy ny hatsarana
Zay dia hirifatra ka tsy tana
Hanova fiainana ve ry ngahy
Ka ny vady aman-janaka no hialana re

(Mandram-pihaona tongava soa e)
Mandram-pihaona tongava soa
Raha hanaraka an’iny any lavitra any e
(Ianao no namadika fanekena)
Ianao no namadika fanekena
F'izaho sy ny ankizy dia eto ihany ô
(Aza maharitra ela loatra e)
Aza maharitra ela loatra
Fa rehefa miverina tiako ihany e

Oooooh
Ireo nilaozan'ny tiana tsy tazamaso
(Tsy mahinakanina fa misento ô)
Tsy mahinakanina fa misento ô
Mirotsaka ho azy ny ranomaso ô
(Nefa na ho ela na ho haingana iny e)
Nefa na ho ela na ho haingana iny e
Tsy maintsy miverina fa andraso ô
(Mbola ho avy e)

FIV:
Mbola ho avy izy e
Mbola ho avy izy e
Mbola ho avy izy e
K’aza malahelo
Izay nanova fitàna,
Ka nandao ny tanàna e
Mbola ho avy izy e
K’aza malahelo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 1681
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tiahmarinaa
Daty : 24/07/2021 00:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735