Matokia (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza mba kivy raha toa mahery ny tafiotra
Fa mijoroa, atrakao ny loha,
Tsy maintsy ho tafita.
Aza mba kivy, ny hetraketraky ny tany
Fa Ndrianahary mitahy hatrany
Any ambony any.

Matokia n’inon'inona manjò
Fa Zanahary tsy mizaha ambony fa mijery ambany.
Matokia, ao ny Herin’ny tsitoha
Zanahary miaro sy homba anao hatrany.
Matokia fa ho azontsika ny fandresena,
Matokia, matokia namako
Matokia fa ho azontsika ny fandresena

Aza mba kivy hoe fa tsisy mandeha amin'izay laoniny
Izay fikasana fa fahantrana, ngidy sy jaly.
Aza mba kivy, efa fanaon’i Babilona
Ny fitondrana ny ondry an-kijàna
Amin’ny faharavana.

Matokia n’inon’inona manjo
Fa Zanahary tsy mba manary fa akaiky eo foana
Matokia mbola ao ny Tànan’ny Tsitoha
Tsy mba manary, ho sasa-poana eo foana Babilona.

Matokia n’inon’inona manjò
Zanahary tsy mba manary,
Matokia, ao ny Herin’ny Tsitoha
Hiaro sy homba anao hatrany.
Matokia n'ninon'inona manjò
Zanahary tsy mba manary
Matokia, ao ny Tànan’ny tsitoha
Hiaro sy homba anao hatrany
Matokia, matokia namako o
Matokia fa ho azontsika ny fandresena
Ninon’inona manjò
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 2100
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/01/2017 15:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2552