Kala Soa (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Kalasoa e e e dia soa tokoa ooo
fa saingy indrisy fa mazan-doha eee
fa hay métisy iii manao lohan'anglisy
na dia izany aza nefa dia
i kala soa ihany no tiako be

Kalasoa o kalasoa o kalasoa o tiako ianao
mbola ho avy ilay andro
angalako anao any amin'ny mamanao
kalasoa o kalasoa o kalasoa o tiako ianao
mbola ho avy ilay andro
angalako anao any amin'ny papanao

2. Kala peta eee dia kely jejo ooo
madimozely manja kely iii
fa saingy petsam-bava sy tezitezi-dava aaa
na dia izany aza nefa dia i peta ihany no tiako be

Kala peta o kala petao kala peta o tiako ianao
mbola ho avy ilay andro angalako anao any amin'ny
mamanao
kala peta o kala petao kala peta o tiako ianao
mbola ho avy ilay andro angalako anao any amin'ny
papanao

3. gasikara eee be sipa tsara eee
fa nefa tara eee fa lany drala eee
fa mafimafy ady iii mbola mifampitady
na dia izany aza nefa dia i gasikara no tiako be

Gasikara o gasikara o mbola ho avy ilay maraina vaovao
gasikara o gasikara o anandratako ny voninahitrao
gasikara o aza kivy mbola ho avy ilay maraina vaovao
gasikara o gasikara o hanandratako ny voninahitrao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 212
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solomona17
Daty : 29/05/2024 20:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758